Fampiraisana hina ny tanora

Raikitra ny « Tournoi Firaisankina » eny Ambohimanarina


  • Alatsinainy 06 Mey 2024

Nanomboka ofisialy ny sabotsy 04 mey teo ny « Tourno Firaisankina »

hifaninanan’ireo klioba ao Ambohimanarina izay nahatratra 300 izy ireo no handray anjara. Fangatahana avy amin’ireo tanoran’Ambohimanarina io, ka natomboka avy hatrany. Ray mpiahy izany ny depiote Todisoa Andriampandry, izay nampanantena fa hanolotra omby mifahy lehibe iray, « maillots complets », lelavola, amboara,… ho an’ireo mendrika ao anatin’ny fifaninanana. « Ny Tanora no ho avin’ny firenena ka tsy maintsy tsinjovina hatrany », hoy ny depiote Todisoa Andriamampandry izay naneho fa hampiraisana hina ny tanora ihany koa ny fifaninanana. Tonga teny an-toerana ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana ka izy no nandaka ny baolina voalohany na ny « coup d’envoi ». Nandritra io rahateo no naseho ofisialy tamin’ireo tanora izy 4 mianadahy kandida depioten’ny Firaisankina mitondra ny laharana faha-6, ary nisy ny toromarika momba ny làlana hizorana sy ny tetika hiatrehana ny propagandy, ka nisaoran’i Depiote Todisoa mitafotafo an’ity Filoha teo aloha ity. « Manana adidy isika miaraka amin’ny tanora hiray hina satria raha tsy miray hina dia tsy hahatafavoaka baolina. Izay no tsy maintsy halamina hisian’ny firaisankina », hoy i Marc Ravalomanana.
Toky R

 

 

 


+13

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT