Sport

Fampiofanana Cecifoot Roa andro tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina


  • Alakamisy 02 Aogositra 2018

Nanome fampiofanana Cecifoot « baolina kitra ho an’ny manana fahasembanana ara-pahitana » nandritra ny roa andro, alatsinainy 30 sy talata 31 jolay 2018, ny Federasiona Malagasy ny Spaoro Paralympique tarihan’ny filohany Monja Dinar.

Olona nanodidina ny 20 teo ho eo (mpanabe Malagasy sy mpilalao manana fahasembanana avy eto Analamanga) no nanaraka ny fiofanana izay notarihan’ny « educateur sportif » sady talen’ny « Association cecifoot Réunion », Hoareau David sy Rtoa Fremousse mpanampy azy. Nisy ihany koa fanoloran’ireto vahiny fitaovana hoenti-manatanteraka ity  taranja ity eto amintsika (baolina, tapi-maso, ordinatera sns…) tamin’izany. Nambaran’ny filoha Monja Dinar fa any Toliara no hanatanterahana ny fiadiana ny ho tompondaka nasionaly ny handisport Malagasy ny 27-31 aogositra 2018 ary ligy 12 no efa nahatonga « engagement ». Hisy ihany koa ny fanatrehan’ny Malagasy ny tompondakan’ny Clubs Champions any La Réunion aorian’izay.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT