Sport

Fampiantranoana ny Lalaon’ny Nosy faha-11 Voasongon’i Maldives i Madagasikara


  • Alatsinainy 29 Jolay 2019

Tsy nahomby ny fandresen-dahatra nataon’ny filoha Malagasy Andry Rajoelina fa dia ny nosy Maldives no hampiantrano ny lalaon’ny nosy andiany faha-11 amin’ny taona 2023.

 

 

 

 Izay no fanapahan-kevitry ny CIJ (Conseil International de Jeux) tamin’ny alalan’ny filohany dia ilay teratany Seychellois Antonio Gopal tao amin’ny hotely lehibe Intercontinental tao Balaclava Maorisy ny sabotsy lasa teo. Votsotra teo am-pelatanantsika izany ny fandraisana ny 11eme JIOI na dia efa nahoraka be aza nanomboka ny zoma hariva teo fa hotanterahana aty Madagasikara izany. Aorian’io indray, izany hoe amin’ny 2027 vao afaka miandrandra i Madagasikara raha mbola hifaninana hampiantrano. Ny taona 2007 no nisy lalaon’ny nosy farany teto Madagasikara, izany hoe nandritra ny fitondrana Ravalomanana. Misy fanadihadiana lalina mialoha ny fanapahan-kevitra ka mazava izany ny resaka eto fa tsy naharesy lahatra ny CIJ ny « antontan-taratasy Madagasikara » mety noho ny antony maro samihafa , teknika mety politika ihany koa satria raha ny tokony ho izy dia miatrika fifidianana filoham-pirenena i Madagasikara amin’io taona 2023 io. Nanamarika moa Atoa Antonio Gopal fa nahafa-po ny fandraisan’ny Nosy Maorisy ny lalaon’ny Nosy izay nifarana omaly na teo amin’ny fandrindrana io na teo amin’ny fotodrafitrasa.

 

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT