Sport

Fampiakanjoana Barea Miady sisika ny marika Nike sy Errea


  • Zoma 06 Martsa 2020

Tapitra tamin’ny taon-dasa ny fifanarahana tamin’ny orinasa Italianina Garman amin’ny famokarana ny fanamiana ho an’ny ekipam-pirenena Malagasy ho an’ny taranja baolina kitra dia ny Barea.

 

 

 Ny fiandohan’ny volana janoary dia namoaka antso tolo-barotra ny Federasionina Malagasy (FMF) momba ny fampiankajoana ny Barea. Miady sisika mafy mandresy lahatra ny hampiakanjo ny ekipam-pirenena Malagasy ny ny orinasa Amerikanina malaza dia ny Nike izay tompon’ny marika “Nike” rahateo, ary fanta-daza maneran-tany. Torak’izany ihany koa ny Errea an-dry zareo Italianina, iray amin’ireo marika malaza indrindra eto ambonin’ny tany ihany koa. Isan’ny doka lehibe ho an’ireo orinasa ireo ny fianjaikan’ny ekipa Malagasy ny marika vokariny noho ny laza sy ny toeran’ny Barea eo tontolon’ny kitra maneran-tany, indrindra fa taorian’ny fahombiazana tamin’ny CAN 2019 tany Egipta. Andrasana araka izany hoe: iza marina ny orinasa hahazo ny tsena ka hamokatra indray ny fanamian’ny ekipa Malagasy. Ho an’ny lalao hifanandrinana amin’i Côte d’Ivoire in-droa miantoana amin’ny fiarafaran’ity volana ity, dia hianjaika farany ny marika Garman ny Barea satria voalaza fa efa nisy ny vola naloa tamin’io orinasa io amin’ny hisalorana ny ambiny farany (stocks de maillots) avy amin’io orinasa io.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT