Fampanenjehana bitro roa ny mpanazatra

Mitady ho lalan-kitan-kisoa eto Madagasikara


  • Alatsinainy 15 Septambra 2025

Baolina kitra no resaka. Efa niteraka adihevitra sy tsikera

maro avy amin'ireo mpanara-baovao ara-panatanjahantena, indrindra, mpanohana ny ekipam-pirenena malagasin'ny baolina kitra taorian'ny taona 2019 ity fampanenjehana bitro roa ny mpanazatra ny akipam-pirenena ity. Ilay tekinisianina frantsay, Nicolas Dupuis, iny sady nampandraiketana ny toerana maha tale tekinika nasionaly na DTN momba ny fanatanjahantena nefa sady mpanazatra ny Barea. Ny tekinisianina malagasy, Romuald Rakotondrabe na coach Roro, ireny sady nanazatra ny Barea A no A' no nanazatra ireo nanao lalaon'ny nosy ireny. Niaraha-nahita avy eo ny vokany fa tsy nanao amboaran'i Afrika na CAN intsony isika taorian'izay 2019 izay. Io indray izany izao fa efa iaraha-mahalala hoe amin'ny 12 oktobra izao no mitohy ny andro faha 9 amin'ny fifanintsanana ho an'ny amboara erantany 2026 dia inona izany no antony mbola hamizanana ny sainy amin'ireto fanomezana kaonferansy marobe ireto? Omaly 14 septambra izy nanome fiofanana ho an'ny eto Antananarivo. Ny 21 ao Antsirabe. Ny 27 ao Mahajanga. Heverina fa isan'ny fandaharam-potoana ilaina tokoa ny fizarana traikefa toy izao saingy tsy azo ahemotra mihitsy ve? Hita ho mitady ho lalan-kitan-kisoa eto Madagasikara, araka izany, ity fampanenjehana bitro roa ny mpanazatra ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT