Sport

Fampandrosoana ny baolina kitra Malagasy Naka ny hevitry ny tany Vakinankaratra ihany koa ny FMF


  • Alarobia 29 Janoary 2020

Tontosa ny faran’ny herinadro lasa teo, tao amin’ny Tranompokonolona Antsirabe ny hetsika fakan-kevitra hoan’ny fampandrosoana ny baolina kitra Malagasy.

 

 

 

 Ny ligin’ny baina kitra ao  Vakinankaratra sy ny Federasiona Malagasin’ny baolika kitra no niara-nanantontosa ny hetsika ka namoriana ireo mpitia kitra sy ireo sekoly, klioba ary toeram-panofanana bolina kitra misy nanerana an’i Vakinankaratra. Niatrika ity hetsika ity ny  FMF,  Rabekoto Arizaka Raoul sy ny ekipany. Nambarany tamin’izany fa zava-dehibe ny hetsika toa izao, ahafantarana ny heverin’ny mpitia kitra hampandrosana ity taranja ity. Hitondra fivoarana hoan’ny faritra ny hetsika tahaka izao, hoy hatrany izy satria tanjona ny hampiroboroboana ny kitra mba ahafahana mijery ireo mpilalao isam-paritra, ahafahana misafidy mpilalao faran’izay betsaka. Raha hoan’i Vakinankaratra manokana dia azo lazaina fa anisan’ireo namokatra mpialao kalaza ihany koa ity faritra ity ary antenaina fa hitondra vokatra hatrany ny hetsika tahaka izao. Hoan’ny ligin’ny baolina kitra Vakinankaratra indray dia fantatra fa nakarina ho roa ireo ekipa handray anjara amin’ny fifaninanana nasionaly amin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara ho avy n any Telma coupe de Madagascar dia ny Fc Vakinankaratra sy ny Fc Disciples izany, satria ny Fc Vakinankaratra no nitana ny laharana voalohany sady efa tompon’ny amboara teo aloha ihany ary ny FC Disciple kosa no laharana faharoa. 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT