Fametrahana zotram-pifidianana milamina

Manao atrikasa eto Madagasikara ny COI


  • Alakamisy 31 Aogositra 2023

Tanterahina eto Madagasikara mandritra ny 3 andro nanomboka omaly 30 aogositra-01 septambra izao etsy amin’ny

Hotel Radisson Blu Ambodivona ny atrikasam-paritra hoenti-manatsara ny rindram-pifidianana. Fihaonamben’ireo firenena mivondrona ao amin’ny Tambanjotram-pifidianana eto amin’ny ranomasimbe Indianina (Réseau Electoral des Compétences de l’Océan Indien – REOI), izay eo ambany fiahian’ny COI na ny Kaomisionin’ny Ranomasina Indianina amin’ny alalan’ny tetikasany “Gouvernance, Paix et Stabilité” na GPS. Tanjona ao anatin’io ny hisian’ny fikarakarana milamina mizotra makany amin’ny fitoniana sy fahamarinan-toerana eo amin’ny fanomanana sy fanatontosana ireo dinngana rehetra ao anatin’ny fifidianana. Misy noho izany ny fifampizarana fahaiza-manao sy traikefa eo anivon’ny tambajotra, izay ahitana ireo Firenena Mpikamban’ny COI. Fanamby ny fampifanarahana ny dingana ara-pifidianana amin’ny fenitra iraisam-pirenena sy aty amin’ny faritra misy antsika eo am-piatrehana ny zotram-pifidianana. Hamafisana ny fifanakalozana sy fifampizarana eo amin’ireo mpikambana indrindra fa ireo mpikamban’ny rafitra ara-pifidianana amin’ny alalan’ny fifampitana traikefa sy lesona noraisina niainga tamin’ny fikarakarana fifidianana nisy. Misy ihany koa ny fifampizarana sy fanamafisana ny fahaiza-manao momba ny fandrakofana sy fikaroham-baovaon’ny mpanao gazety mandritra ny vanim-potoanan’ny fifidianana, ny fandrindrana ny haino aman-jery sy ny fanofanana miompana amin’ny didy aman-dalàna sy ny dingana ara-pifidianana, ny fahafahan’ny kandida misitraka sy mampiasa ny haino aman-jery,... Ankoatra ireo mpandray anjara avy amin’ny rafitra samihafa eo anivon’ny COI tarihin’ny Sekretera Jeneraliny Atoa Vêlayoudom Marimoutou sy ny REOI tarihin’ny Filohany Atoa Irfan Abdool Rahman dia mandray anjara mazava ho azy ny avy amin’ny CENI Madagasikara amin’ny alalan’ireo solontena tarihin’ny Filohany Atoa Dama Andrianarisedo ka nanehoan’ity farany fa endriky ny fiaraha-miasa avokoa izao. Tazana ihany koa ireo manam-pahefana amin’ny fandrindrana ny haino vaky jery, ny avy amin’ny Antenimieram-pirenena nahitana ireo depiote izay Filohana vondrona parlemantera na solontena,…ary tazana tamin’ny fanokafana ihany koa ny Filohan’ny Antenimierampirenena.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT