amin’ny fampiasàn’ny ankizy «écran» be loatra
Tetikasan’ny fikambanana Mii’zara ao anatin’izao fialàn-tsasatra lehibe izao ny hamelona indray ireo lalao malagasy ho an’ny ankizy, hoy ny filohan’ity fikambanana ity, Fafah Rarivo. Tanjona ao anatin’izay, hoy izy, ny mba ialàn’ny ankizy amin’ny resaka fimaso na «écran» toy ny amin’ny finday na tablety fa hamelomaso indray ny kilalao malagasy, izay hita fa fitaizàna tena nety tamin’ny malagasy hatramin’izay. Nanome fahendrena. Nanome lesona isan-karazany ny fitaizàna nataon’ireo ray aman-dreny taloha. Iarahantsika mahita ankehitriny fa tena mirona any amin’ny zava-dratsy ny ankizy marobe. Ankizy kely dia efa mahalala izany fitiavana izany. Efa mampiarampiaraka eny rehetra eny. Hitantsika koa ny tsy fandriampahalemana isan-karazany eto amin’ny tany misy antsika. Ny fitaizàna sy serasera no isan’ny azo itsaboana izany. Tsy hitantsika intsony izany ankizy miray hina anatina lalao iraisana izany. Very koa ny firaisankinan’ny malagasy. Andro hariva taloha ny ankizy miara-milalao manao an-kiafina. Tsy misy mifanavakavaka. Heverinay fa tsy diso izahay, noho izany, raha hamelona indray ny lalao malagasy. Fitenin’ny ankizy amin’izao mihitsy ny hoe ianareo taloha izany nefa tsara ampitahaina ihany hoe nanao ahoana ny fiainan’ny malagasy taloha sy ny fiainany ankehitriny? Raha misy olona iray lavo tamin’izany dia firy no manarina azy? Amin’izao toa faly mijery ny fahavoazan’ny hafa fotsiny ny fiarahamonina? Isan’ireo lalao malagasy tianay velomina indray, ohatra, ny katro, fanorona, sabaka, vitsilia, an-kiafina. Tsy hain’ny ankizy ankehitriny intsony izany fa, araka ny voalaza teo, very amin’ny «écran» daholo. Hatreto dia ao amin’ny tranomboky monisipaly Analakely isaky ny alarobia fahadimin’ny volana no hanatanterahanay ny tetikasa. Azo arahina ihany koa ao amin’ny pejin’ny fikambanana Mii’zara ny fampianarana. Io pejy anaty tambazotran-tserasera io moa izany karazana fampidirana fotsiny ihany mba ialàna amin’ilay hoe mampiasa fimaso loatra. Hiparitaka eny anivon’ny fiarahamonina ihany koa ny hetsika ary atomboka ao Ambatolampy Tsimahafotsy sy eny Akaosy, hoy hatrany ity fikambanana ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.