Famaranan’ny Telma coupe de Madagascar

Naneho ny hatezerany i Tota


  • Talata 30 Janoary 2024

Naneho ny hatezerany ny filohan’ny klioban’ny CFFA Andoharanofotsy,

Henintsoa Rakotoarimanana, manoloana ny vokatry ny famaranana teo amin’ny tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny taranja baolina kitra na Telma coupe de Madagascar tetsy amin’ny kianjan’ny Elgeco plus By pass ny alahady teo. Resin’ny Elgeco plus 2 sy 1 moa ny CFFA tamin’io fotoana io, raha tsiahivina. Iny no vita, hoy ity filohana klioba sady ben’ny tanànan’Andoharanofotsy ity. Arahabaina ny Elgeco plus, hoy izy, nahazo ny amboara. Te hanontany ny federasionina kosa aho hoe fa atao inona ireo mpitsara iraisam-pirenena no mpitsara nasionaly no natao nitsara lalao? Sa ve ny mpitsara nasionaly no azo baikoana, hoy hatrany ny filohan’ny CFFA. Tsiahivina fa ny filohan’ny federasionina malagasin’ny baolina kitra ankehitriny moa no filohan’ny Elgeco plus teo aloha, mba tsy hilazana hoe filoha mpanorina azy mihitsy. Depiote voafidy tamin’ny lokon’ny vondrona politika an’ny fitondrana rahateo ihany koa na IRD ity farany raha toa ka ben’ny tanàna voafidy tamin’ny anaran’ny Isika rehetra kaominina miaraka amin’i Andry Rajoelina na IRK ny filohan’ny CFFA. Ady an-trano na lonilony politika ve izany no tonga hatrany amin’ny baolina kitra sa antony hafa mihitsy?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT