Sport

Famaranan’ny “MLS-Conférence Ouest” Resy tamin’ny minitra farany ry Metanire


  • Alarobia 09 Desambra 2020

Notanterahina omaly ny famaranan'ny “Conférence Ouest” fifaninana tafiditra ao

 

 

 

anatin’ny MLS na Major League Soccer any Etazonia nifanandrinan’ny Minnesota United misy an’ilay Mpilalaon’ny Barean’i Madagasikara Romain Metanire sy ny Seattle Sounders. Nahavelom-bolo ny fidirana voalohany ho an’ny Minnesota United, izay teo amin’ny Minitra faha-28 dia efa nahafaty baolina tamin’ny alalan’ny “coup franc” lavitra nodakan’i Reynoso, ka io no nentina niala sasatra. Tompon-toerana i Metanire, saingy voadona mafy teo amin’ny minitra faha-39, ka tsy afaka ny nanohy ny lalao intsony, ary anio no voalaza fa hiatrika fizahana ara-pahasalamana (IRM). Nitohy ny lalao, nifamaliana ny fanafihana, ka nahafaty baolina iray ny Seattle Sounders teo amin’ny faha-53 saingy nolavina satria nisy hadisoan’ny lohalaharana. Nanampy ny isa indray ny Minnesota teo amin’ny minitra faha-67, ka nitarika tamin’ny isa 2-0 ( Reynoso 28", Dibassy 67"), ary efa nanantena fandresena. Hita taratra ihany anefa ny fahabangan’i Romain Metanire, nisy ny tandrevaka, ka nisesy ny baolina matin'ny Seattle Sounders tany amin'ny minitra farany (Will Bruin 75", Ruidiaz 89", Svensson 93"). Tratry ny fitsimbadihan’ny isa na “remontada” ka lavo tany amin’ny minitra farany ny Minnesota. Tsara ny manamarika, fa sambany teo amin’ny tantara hatramin’ny niforonany ny taona 1996 no tonga teo amin’ny famaranana tahaka izao ny Minnesota United.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT