Sport

Famaranana « Telma Coupe de Madagascar » Ny Elgeco Plus no hifandona amin’ny As Adema


  • Alarobia 03 Oktobra 2018

Fifanandrinan’ny samy ekipan’Analamanga ny lalao famaranana « Telma Coupe de Madagascar 2018 » hotanterahina etsy amin’ny kianjan’i Mahamasina amin’ny alahady 7 oktobra ho avy izao.

 

 

 

Resin’ny Elgeco Plus Analamanga tamin’ny 2-1 ny Cnaps Sport Itasy omaly tetsy Mahamasina teo amin’ny fandakana ny « tirs au but »-n’ny lalao manasa-dalan’ity fifaninanana ity izay tsy notanterahana ny alahady 30  septambra teo noho ny hamaizinan’ny andro. « Na dia tsy dia fahita maneran-tany aza izany hoe tirs au but izany fotsiny no haverina amin’ny tranga tahaka izao fa ny lalao manontolo mihitsy dia  nanaiky ny hanatanteraka an’izany izahay, hoy Randriamanampisoa Alfred filohan’ny Elgeco Plus, satria izahay no nangataka ny hanemorana ny fanaovana an’io tirs au but io. Noporofoinay teto Mahamasina fa tena vonona ary niomana tamin’ity tirs au but ity izahay ka nahazo an’izao vokatra tsara izao. Voalazan’ny Baiboly, hoy izy, fa izay voasoratra dia voasoratra. Tsy hataonay kitoatoa ny fanomanana ny lalao famaranana hihaonana amin’ny As Adema ka mitohy ny « mise au vert » ho an’ireo mpilalaonay ary tsy maintsy hamboniana koa ny « morale » ho azy ireo.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT