Sport

Famaranana rugby - Top 9 Hangotraka indray etsy Mahamasina


  • Alarobia 27 Desambra 2017

Azo antoka fa noho ny fiaraha-miasan’ny Analamanga rugby amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra no ahafahan’ity farany hanatontosa ny lalao famaranana TOP 9 karakarainy etsy amin’ny kianjan’i Mahamasina amin’ny sabotsy 30 desambra izao.

Tsy sarotiny ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana satria ny fileovana eo ambany fiahian’ny IRC no iray amin’ireo ekipa roa hifandona amin’ny lalao famaranana ka ny TFMA Ankasina no hihaona aminy. Hotolorana lelavola 400.000 Ariary ankoatra ny amboara homena azy izay mpandresy, hoy Atoa Andry La Pie filohan’ny Analamanga rugby, ary 200.000 Ariary kosa no ho azon’izay resy. Mbola lalao mampilendalenda koa anefa no hialoha ny famaranana dia ny fiadiana ny laharana faha-3 hifanandrinan’ny 3FB sy ny TAM Anosibe. Hialoha an’ireo rehetra ireo ny famaranana « Coupe Ezaka TOP 9 » hihaonan’ny UASC sy ny Matadorea.

 

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT