FAMARANANA NY LALAON’NY NOSY

Ho hentitra ny fitandroana ny fandriampahalemana


  • Zoma 01 Septambra 2023

Ny olona maro rehefa tsy voafehy dia misy hatrany ny mitsivalam-pandry sy tsy mety manaraka fandaminana.

Hisorohana izany dia nanambara ny jeneraly Andry Rakotondraka Lehiben’ny CIRGN Antananarivo omaly fa ho hentitra ny fitandroana ny fandriampahalemana mandritra ny famaranana ny lalaon’ny Nosy taona 2023 hatao ny 03 Septambra ho avy io. Hohamafisina ny fandaminana ho amin'ny fidirana sy fivoahana ny kianjan’i Barea.Samy hanana ny lokony ny vavahady tsirairay avy mba hampiavaka azy, raha araka ny fanazavana azo. Amin'ny 8 ora maraina dia efa zaraina ny tapakila ary efa misokatra ny vavahady. Mbola eny am-pilaharana dia efa hosivanina isaky ny lokon'ny tapakila ny olona hiditra isaky ny vavahady. Hisy ihany koa ny fandaminana mikasika ny fiara. Na ny hiditra ao anatin’ny kianja na ny manodidina ny kianja. Raha vao misy tranga fitangoronana hoy hatrany ny fanazavana dia hisy fepetra hisorohana ny korontana sy ny fifanosehana.
Pati
Legende : Ny jeneraly Andry Rakotondrazaka, nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety omaly !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT