Sport

Famaranana ny Chan 2018 Nigeria sy Maroc no hifanandrina


  • Alakamisy 01 Febroary 2018

Nidelira fandresena ny tao amin’ny kianja Mahommed V any Casablanca tamin’ny nahazoan’ny ekipan’ny Lions de l’Atlas ny fandresena nanoloana ny Chevaliers de la Méditerranée Lybiana 3-1 omaly alarobia 31 janoary 2018.

 

 Baolina 2 tafiditr’ilay lohalarana El Kaabi teo amin’ny 78’ sy 97’ ary 1 tafiditr’I Ela Karti tamin’ny penalty 118’ no niantoka izany fandresena izany. Ady sahala 1-1 tamin’ny alalan’ny baolina matin’ilay Lybiana Abdularahman Ramadhan teo amin’ny 86’ no nisarahan’ny roa tonta tamin’ny 90 minitra fe-potoana ara-dalàna. Nafotaka ihany koa tetsy ankilan’izay ny lalao nifanandrinan’i Nigeria sy Soudan, nanana tombony anefa ny Nizeriana ka nahatafiditra baolina iray, ampy nitondra azy ireo any amin’ny lalao famaranana.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT