Sport

Famaranana ny Champions League UEFA 2018 Liverpool sy Real Madrid no hifanandrina


  • Alakamisy 03 Mey 2018

Resin’ny As Roma Italianina 4-2 ny ekipan’ny Liverpool Fc Anglisy tamin’ny manasa-dalana miverina notontosaina tany Italie omaly alarobia 02 mey alina.

 

Tsy ampy nahatafita ny As Roma ho any amin’ny lalao famaranana anefa io isa azony io satria efa resin’ny Liverpool 5-2 ry zareo tamin’ny lalao mandroso. Ny ekipa Anglisy Liverpool Fc, araka izany, no hifandona amin’ny Real Madrid Espagne amin’ny lalao famaranan’ny Champion’s League UEFA 2018 andiany faha-63 hotontosaina any amin’ny kianja olimpikan’i Kiev any Ukraine amin’ny sabotsy 26 mey 2018 izao. Famaranana fanindroany hihaonan’ny 2 tonta ity hiseho ity taorian’ny famaranana voalohany nifanaovan’izy ireo tamin’ny taona 27 mey1981 tany amin’ny Parc des Princes tany Paris ka nandavoan’ny Liverpool 1-0 ny Real tamin’izany. Izay maharesy eo dia ho tafita hiatrika ny Supercoupe UEFA 2018 hifanandrinany amin’ny ekipa handrombaka ny famaranan’ny Ligue Europa. Mbola handray anjara amin’ny fifaninanana Coupe du monde des clubs 2018 ihany koa izy.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT