Famaranana ny amboaran’i Luxembourg

Nanao izay ho afany ry Clément Couturier


  • Alatsinainy 13 Mey 2024

Nanao izay ho afany ry Clément Couturier sy ny namany ao amin’ny Swift Esperange

nandritry ny famaranana ny amboaran’i Luxembourg eo amin’ny taranja baolina kitra ny faran’ny herinandro teo. Azo ambara ho namiratra mihitsy aza moa ity mpilalao malagasy ity nandritr’ity fihaonana tamin’ny FC Progrès Niederkorn ity. Nafy toto ny tao afovoanin’ny kianja saingy nitongilana tany amin’ny mpifanandrina ny zanaharim-baolina, hoy ny fomba fiteny izay, rehefa nisaraka ady sahala 1 noho 1 ny ekipa 2 tonta nandritry ny fotoana ara-dalàna sy fanalavam-potoana. Voatery niditra tamin’ny tsotsoromamba na «tirs au buts», noho izany, ka dia resy tamin’ny isa 1 noho 3 no niafarany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT