Sport

Famaranana nampitaintaina Nobatain’i Argentine ny amboara


  • Alatsinainy 19 Desambra 2022

Nikatona tanteraka omaly tamin’ny alalan’ny famaranana nampitaintaina ny fiadiana ny amboara eran-tany ho an’ny baolina kitra na ny “Mondial 2022” notanterahina tany Qatar.

Tena mendrika amin’ny maha famaranana azy, saingy ny Argentine no nitsikian’ny vintana. Tany amin’ny “Tirs au but” vao tafavoaka ry Lionel Messi na dia nanatombo foana aza tao anatin’ny 120 minitra. Ry zareo no nanokatra ny isa teo amin’ny minitra faha-23 rehefa nahazo fahadisoana nivadika ho penalty, ary nodakan’I Messi, ary tsy nisy noraisina. Mbola nampian’I Di Maria indray teo amin’ny minitra faha-36, ka 2-0 no nentina niala sasatra. Azo lazaina ho nanatombo tanteraka ry Lionnel Messi tao anatin’ny fizaram-potoana voalohany, na tamin’ny fanafihana na ny fifehezana ny baolina. Mbola azo lazaina ho nahomby hatrany tao anatin’ny 30 minitra voalohan’ny fizaram-potoana faharoa, raha toa ka nitsitokotoko ny fanafihana Frantsay. Niova tampoka anefa ny tantana teo amin’ny minitra faha-78 sy 80 minitra satria nahafaty roa ny Frantsay, izay penalty nodakan’I Mbappé ary mbola nahafaty baolina iray fanampiny izy. Nanindry kokoa indray izy ireo nanomboka teo. Niditra tamin’ny fanalavam-potoana, ka nahafaty indray i Messi teo amin’ny minitra faha-09. Mbola nahazo penalty indray anefa ny Frantsay izay nodakan’I Mbappé (115’) ka maty. Saika nahafaty I France tao anatin’ny segaondra farany saingy voasakan’I Martinez. Voatery niditra tamin’ny “Tirs au but” rehefa nisaraka ady sahala 3-3 ka nivoaka nandresy 4-2 ny Argentin. Ny Frantsay no nandaka voalohany, ka matin’I Mbappé, narahan’I Messi ary maty. Tsy nahafaty kosa I Coman, raha toa ka nahafaty I Dybala, mbola tsy nahafaty ihany koa I Tchouaméni, namono baolina fahatelo I Peredes, niezaka nanarina I Kolo Muani ka nahafaty ho an’ny Frantsay, saingy nofaranan’I Montiel ny famonoana baolina, nibatan’I Argentine ny amboara. Votsotra teo am-pelantanan’ny Frantsay ny amboara, ary niakatra ho telo ny kintana azon’ny Argentin taorian’ny tamin’ny 1978 sy 1986, azony ny vola 42 tapitrisa dolara raha toa ka 30 tapitrisa dolara ny an’ny Frantsay, mody any ami’ny Kaontinanta Amerikanina.
MESSI NO NAHAZO NY “BALLON D’OR AWARD”
Enzo Fernandez izay Argentin no mpilalao tanora mendrika indrindra. Emiliano Martinez ihany koa no mpiandry harato mendrika indrindra. Mbappé kosa no namono baolina be indrindra nahazo ny “gôdasy volamena”, izay nahatratra 8, raha toa ka 7 ny an’I Messi. Ity farany moa no nahazo ny baolina volamena tamin’ity “mondial 2022” ity. Iny ihany koa no heverina fa “mondial” farany ho azy, izany hoe: tapitra azon’I Messi ny amboara goavana rehetra teo amin’ny fifaninanan’ny baolina kitra satria vao avy nahazo ny Copa America farany ihany koa I Argentine.
Legende : Nametraka ny anarany amin’ny tantaran’ny baolina kitra i Lionel Messi
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT