Sport

Famaranana Basket N1 B Tompondakan’i Madagasikara 2018 ny ECBBA


  • Alatsinainy 07 Mey 2018

Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara 2018 amin’ny taranja Basikety sokajy N1 B ny ekipan’ny ECBBA Analamanga. Resin’izy ireo tamin’ny isa nazava 78-66 omaly tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina ny ekipan’ny As Fanalamanga Alaotra Mangoro.

 64-43 no isa azon’ny roa tonta teo am-pialana sasatra ka mbola nitarika hatrany ny ECBBA Analamanga. Ankoatra ny amboara lehibe nobatainy dia notoloran’ny Telma finday Play tsirairay avy koa ireo mpilalaon’ny ECBBA. Nitana ny laharana faha-3 tamin’ity fifaninanana ity ny Cnaps Itasy. Voahosotra ho mpilalao mendrika kosa na nahazo amboara manokana sy tennis basket ary Sac à Dos ny mpilalao laharana 0 avy amin’ny ECBBA, Randriatsimarofy Juerry.

Nahery teo amin’ny fifaninanana “Tirs 3 points” lehilahy Ramarosata Ismael MB2ALL, teo amin’ny vehivavy kosa i Nivo Irma Romina Mb2All Analamanga izay samy notolorana telefaonina Titan sy  T-shirt ary Casquette sy Gourde Telma tsirairay avy.

 

Ntsoavina Evariste

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT