Sport

Famaranana baolina kitra Asief Analamanga Nahery ny M2Pat tetsy Mahamasina


  • Talata 01 Oktobra 2019

Tontosa tamin’ny zoma 27 septambra teny amin’ny kianjan’i Bevavala sy tetsy amin’ny kianjan’i Mahamasina ireo famaranana fifaninanana baolina kitra Asief Analamanga 2019. Tamin’ny ankapobeny dia

 

 

nandrombaka amboara 2 tamin’ireo famaranana 3 natrehany ny ekipan’ny MDN ary ny M2PAT kosa no nahery tamin’ny lalaon’ny tanora tetsy Mahamasina.

Vokatry famaranana rehetra :

Kianjan’i Bevalala : Sokajy Super veteran- MDN 1 – 0 JUSTICE  ;  Sokajy veteran-MDN (4) 1 – 1 (5) JUSTICE   ;   Sokajy Mixte-MPTDN 0 – 1 MDD   ;  Sokajy elite-MDN nandresy tamin’ny Forfait ny DCSP.

Kianjan’i Mahamasina : Sokajy Jeune-M2PAT (4) 2 – 2 (3) MEN.

“Vita izay ny fifaninanana rejionaly, hoy ny filohan’ny seksion’ny baolina kitra Asief, Rakotomalala Jean Paul, teny Mahamasina fa any Antsiranana indray isika mifampitady amin’ny Asief nasionaly amin’io volana oktobra hitsidika io”.

“Efa fanomanana sahady ny any Antsiranana kosa iny lalao famaranana iny ho anay, hoy ny tompon’andraikitry ny ekipan’ny M2PAT, mbola teny Mahamasina ihany”.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT