Famahana ny olan’ny baolina kitra

Hovoriana ireo mpikatroka mivantana…


  • Alatsinainy 16 Desambra 2024

Raha mbola eo am-piandrasana izay ho anaran’ny mpanazatra vaovaon’ny Ekipam-pirenena Malagasy Barea A

izay nisiana kandida hatrany amin’ny 54 ny vahoaka indrindra fa ny mpitia fanatanjahantena, dia fantatra ihany koa ankehitriny fa hamory ireo mpikatroka mivantana samihafa eo amin’ny tontolon’ny Baolina kitra ny federasionina na ny FMF ny 19-20 desambra izao. Tanjon’ny Federasiona ny hikaro-bahaolana mikasika ny fifaninanana nasionaly sy hoan’ny ekipam-pirenena malagasy mba ialàna amin'ny faharesena lava, raha ny serasera mandeha. Mandritra izany no hihainoana ireo fanehoan-kevitra sy fanakianana ho fanatsarana ny baolina kitra Malagasy. Ireo solotenan’ny Mpampiofana, ny solontenan’ny Filohan’ny klioba élites (Pureplay Football League), ny solontenan’ny Mpanao gazety ara-panatanjahantena, ny solontenan’ireo kintan’ny baolina kitra fahiny, ny solontenan’ireo Mpilalao iraisam-pirenena taloha, ny solontenan’ireo Mpanazatra teo aloha, ny solontenan’ireo Filohan’ny seksiona sy ligy, ary ny solontenan’ireo mpanohana (supporters) no nantsoina hiara hikaon-doha etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina mandritra io roa andro ireo. Tena hivoaka ve ny vahaolana sa ho fombafomba ihany ? Manaiky ny tsy fahombiazany ve ny mpitantana ka tena hifofotra amin’ny fanatsarana sa mbola handeha foana ny politikam-pitantanana tsy mahomby sy ny fanaovana fitaovana politika ny baolina kitra ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT