Sport

Faly sy ravo ny Malagasy Vitan'ny Barea ny fampihavanam-pirenena


  • Alatsinainy 15 Jolay 2019

Tafaray tanteraka ny tia sy ny manina ny andron’ny sabotsy 13 jolay teo nandritra ilay fitsenana makotrokotroka ny Barean’i Madagasikara.

 

 

Nanehoan’ny vahoaka ny fitiavany sy ny fanohanany amin’ny fony manontolo, ka dia niara-nientana sy niara-nirona nitsena ireo maherifon’ny firenena ny rehetra. Ny any amin’ny faritany aza dia nangataka mba handalo amin’ireo renivohi-paritany izy ireo, saingy tsy afaka manao izany aloha hatreto noho ny fotoana. Vitan’ny Barea ny fampihavanana ny Malagasy tsivakivolo, ary voasongona tanteraka ny mpanao politika. Natsangana teto Madagasikara izao karazana rafitra mpampihavana izao, fa niala maina, eny fa hatramin’ireo Raiamandreny am-panahy aza. Resy tanteraka raha eo amin’ny taham-pankafizan’ny vahoaka ny mpanao politika fa dia lasan’ny Barea ny fon’ny olon-drehetra na inona na inona loko politikany. Niaretan’ny vahoaka ny hafanana, ny hatsiaka, ny alina mamirifiry,… Raha resaka fitsenana tahaka ireny ho an’ny tantara manodidina ny politika, dia niavaka ny fitsenana an-dRatsiraka niverina avy an-tsesin-tany ny taona 1996. Vahoaka sesehana no nivonona hitsena an’i Marc Ravalomanana ny 25 janoary 2009, izay nosakanan’ny fanjakana tsy hiverina rehefa voatery nitsoaka tany Afrika Atsimo ny 17 martsa 2009.  Samy nahazo vahoaka be ireo fitsenana roa goavana nanan-tantara ireo, saingy mbola betsaka noho ny azy mirahalahy ireo ny vahoaka nitsena ny Barean’i Madagasikara.Maro ny ambara fa hetsi-bahoaka nisy teto (1972, 1991, 2002, 2009) saingy niavaka sy hafa mihitsy ny tamin’ny sabotsy 13 jolay 2019 iny. Nampihetsika ny ambom-pon’ny Malagasy sy ny fitiavany ary ny fiombonany ny herim-pon’ny Barea sy ny zava-bitany. Tsapan’ny Malagasy sy tena niainany ary reharehany nanomboka teo ny maha-Malagasy azy, ary nifoha ny fitiavan-tanindrazana ao anatiny. Tsara laza sy filamatra aty Afrika i Madagasikara ary fanta-daza manerana izao tontolo izao satria tena maro ny mitsiriritra ny fihetsiky ny Malagasy manontolo, taorian’ny rivo-baovao nentin’ny Barean’i Madagasikara.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT