Sport

Fahombiazan’ny Makis vehivavy Japiana hampalazana tena indray?


  • Alakamisy 05 Mey 2022

Noraisin’ny Filoham-pirenena teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ireo Ekipam-pirenena Malagasy amin’ny taranja rugby lalaovin’olona 7 sokajy vehivavy.

Miisa 12 ireo mpilalao mandrafitra ny Makis vehivavy izay voahosotra ho tompondaka lefitra aty Afrika sy tafita hiatrika ny fiadiana izay ho tompondaka eran-tany hatao any Afrika Atsimo ny 9-11 septambra izao. Nambaran’i Andry Rajoelina àry fa mipetraka amin’ny laharan’ny maherin’ny fon’ny firenena ireo Makis vehivavy ireto sambany hiatrika ny fiadiana izay ho tompondaka eran-tany. « Fanomezana lehibe sy goavana ny ezaka nataonareo, sambany ihany koa teo amin’ny tantaran’ny firenena no hiatrika ny fiadiana izay ho tompondaka eran-tany. Nankasitraka azy 12 mirahavavy noho izany ny Fanjakana, ka notolorana fankasitrahana na “prime” ny ekipam-pirenena, raha toa ka medaly sy “maillot” N°13 toy ny tamin’ny Barean’i Madagasikara ny nomena ny Filoha. Nilaza hanampy manokana Makis vehivavy ny filoha sy ny Fanjakana: ara-bola, fitaovana, ara-pahasalamana,…izay rehetra ilaina hanampiana ny Maki hahazo ny tompondaka eran-tany, hoy I Andry Rajoelina. Nambara fa havaozina tanteraka ny Kianja Maki : amboarina ny bozaka, ny atiny sy ny ivelan’ny kianja, hasiana jiro,… ho fampanaraham-penitra mba hahafahana mandray ireo lalao iraisam-pirenena. Hatsaraina sy hahazo fanohanana avy amin'ny Fitondrana ihany koa ny "Centre de formation" ao an-toerana. Raha hitarina kely amin’ny fijery ara-politika, hita taratra indray ny fitaingenana sy fampalazana tena amin’ny alalan’ny ekipam-pirenena, toy ny efa natao tamin’ny baolina kitra. Zava-dehibe sy tena ilaina ny fanohanan’ny Fanjakana, saingy tsy tokony ho hita taratra ny fijapiana ara-politika, izay isan’ny mamotika ny fanatanjahantena eto. Tetsy andaniny nisy ny taranja hafa, toy ny “bodybuilding” izay nahazo tompondaka eran-tany na tompondaka lefitra, toa nodiana tsy hita. Misy teratany Malagasy voafidy ho Filohan’ny Kaonfederasionina Afrikanina, fa tsy mba nasaina tany an-dapa,…
Toky R
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT