Fahombiazan’ny Barean’i Madagasikara

Miankina amin’ny fahaiza-mandahatra ireo 11 voalohany


  • Zoma 14 Martsa 2025

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy moa iny ireo mpilalao miisa 26 voaantso

handrafitra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barean’i Madagasikara, izay hiatrika ny lalao miisa 2 hihaonana amin’i Centrafrique sy Ghana afaka 5 andro. Azo lazaina ho eo ho eo ihany ny kalitao, raha ny ara-taratasy aloha no jerena. Tsy tena misy hoe mpilalao amina klioba sangany loatra toy ireo any Eoropa fa maro milalao any amin’ireo divizionina sangany isaky ny firenena ilàn’izy ireo ravinahitra kosa, ho an’ireo mpilalao mila ravinahitra na «expatrié» moa izany. Eo amin’ny mpiandry tsatoby dia ahitana an’i Sonny Laiton, milalao ao amin’ny FC Avenir Beggen, Luxembourg, Geordan Dupire, Swift Hesperange, Luxembourg, Razakanirina Rakotohasimbola, Elgeco plus, Madagascar, Adrien Melvin, Thonon Evian, France. Eo amin’ny vodilaharana kosa no ahitana an’i Thomas Fontaine, FC Sochaux, France, Louis Démoléon, Enna, Italie, Harisson Marcelin, Beitar Jerusalem, Israel, Rajo Razafindrabearimianta, St Denis FC, La Réunion, Tony Randriamanampisoa, Elgeco Plus, Madagascar, Morgan Jean Pierre, US Orléans, France, Thierno Millimono, Othellos Athienou, Chypre, Mathieu Acapandié, FC Nantes, France, Radoniaina Rabemanantsoa, AS Fanalamanga, Madagascar. Eo afovoanin’ny kianja no ahitàna an-dry Marco Ilaimaharitra, KV Kortrijk, Belgique, Rayan Raveloson, Young Boys, Suisse, Clément Couturier, FC Villefranche, France, Tommy Iva, US Orléans, France, Loïc Lapoussin, Saint-Trond, Belgique, Andrianarimanana Arohasina, Fosa Juniors FC, Madagascar. Ho an’ireo lohalaharana dia ao i Lalaina Rafanomezantsoa, CFFA, Madagascar, John Baggio, Sukhothai FC, Thailand, EL Hadary, Paris FC, France, Arnaud Randrianantenaina, EL Gouna FC, Egypte, Samuel Noireau Dauriat, EA Guingamp, France, Njiva Rakotoharimalala, Ratchaburi FC, Thailand, Hakim Abdallah, FC Dinamo Bucarest, Roumanie, Warren Caddy, Stade Lausanne, Suisse. Misy moa ireo nosokajian’ny mpanazatra Corentin Martins ho mpilalao fiandry izay ahitàna an-dry Toky Olivier Randriantsiferana, St Paul, La Réunion, Bertrand Dorian, St Denis, La Reunion, Tendry Mataniah Randrianarijaona, Enppi SC, Egypte, Andrea Carolus, AL-Rawad SC, Arabie Saoudite, Lamin Jawo, Jablonec, Tchécoslovaquie, raha ny fampahafantarana natao omaly hatrany. Heverina, noho izany, fa miankina amin’ny fahaiza-mandahatra ireo 11 voalohany ny fahombiazan’ny Barean’i Madagasikara izay azo lazaina ho mbola misy antenaina aloha amin’izao fidirana anatin’ny andro fahatelon’ny fiadiana ny tapakila ho any amin’ny amboara erantany 2026 izao.
Nangonin’i J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT