Fahatongavan’i Coquelin ao amin’ny Barea

«Miankina amina zavatra be dia be»


  • Talata 05 Martsa 2024

Izaho manokana efa tafaresaka tamin’i Francis Coquelin,

hoy ny mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barean’i Madagasikara, Romuald Rakotondrabe na Rôrô. Tena efa niresaka mihitsy, hoy izy. Tao aorian'izay, nahita ianareo angamba fa nisy fotoana i Bolida nidina tany mihitsy. Iaraha-mahalala tsara fa i Coquelin, nandritra ny herintaona teo angamba, no naratra, fa manomboka miverina kely izy. I Francis Coquelin manaiky amin'izao fotoana izao fa aleo hoy izy aloha mba ho tena "stable" na tomombana tsara. Izany hoe sady efa niresaka tamiko izy no niresaka tamin'i Bolida. Vonona izy ny hilalao ato amin'ny ekipam-pirenena malagasy. Ny hirariana sy mba angatahana amin'Andriamanitra dia mba ho afaka hilalao tsara izy amin'ny volana jona, mba tsy hisy haratra. Tsy midika izany akory, fa sao rehefa avy eo indray any amin'ny "réseaux sociaux" na tambazotran-tserasera dia hoe hoy i Coach Rôrô hoe ho avy hono i Coquelin amin'ny volana jona! Efa manaiky izy fa miankina amina zavatra be dia be izany, hoy hatrany ity mpanazatra ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT