Fahatongavan’i Coquelin

Antenaina mba tsy hitovy amin’ilay resaka Boura…


  • Zoma 15 Martsa 2024

Efa mahoraka any amin’ireo haino aman-jery any ivelany ankehitriny

ny safidin’ilay irakiraka malagasy, Francis Coquelin, handrafitra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barean’i Madagasikara. Nomarihina hatrany moa fa ny lehilahy dia mpilalao baolina kitra, 32 taona, manana ny toerany ary mampiseho lalao avo lenta hatrany. Efa nilalao tamin’ny Arsenal, klioba sangany mifaninana amin’ny fifaninanam-pirenena anglisy na «Premier league» sy Valence ao amin’ny Ligua Espagnol i Francis Coquelin ary irakiraka tompon-toerana foana ao Villarreal ankehitriny. Efa «équipe Espoir», ekipam-pirenena zandriny frantsay ny taona 2011. Barea an’i Madagasikara kosa no ho safidiny, izay tanin’ny razambeny, avy amin'ny ray aman-dreniny avy any La Réunion. Tsy tafiditra ao anatin'ny lisitry ny mpanazatra ny volana martsa nefa izy, hoy ny mpanazatra, Romuald Félix Rakotondrabe, ary tsy handray anjara amin'ny lalao ara-pirahalahiana etsy Mahamasina amin'i Burundi, sy Rwanda. Avy hatrany dia mety handray anjara amin'ny andro fahatelo sy fahaefatra amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany 2026 amin’ny jona 2024 hihaona amin’i Kaomoro sy Mali i Coquelin. Nangataka fotoana kely fotsiny izy mba handaminana ny fiainany, hoy hatrany ity mpanazatra ny Barea ity. Inoana sy antenaina, araka izany, fa tsy hitovy amin’ilay resaka Boura intsony ity resaka Coquelin ity fa dia tena ho avy tokoa ny lehilahy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT