Nampahafantarina omaly tetsy amin’ny HDA Analakely omaly ny fizotry ny fankalazana ny faha 30 taonan’ny Gasy ka mahery na GAKAMA,
izay fikambanambe nanolo-tena hanandratra ny kolontsaina Malagasy sy ireo haiady, indrindra, ny haiady nentim-paharazana Malagasy. Araka ny fanazavan’ny Maitre Michel Le Dragon, izay filoha mpanorina azy ity dia misy federasionina miisa 34 ankehitriny mivondrona ao anatin’ity fikambanambe ity ary miompana amina sehatra maro toy ny haiolona, ny haikintana, ny haiady, sy ny maro hafa. Misy federasionina iraisampirenena ao anatin’izany, hoy izy. Voizin’izy ireo ny hoe kolontsaina ihany no basintsika Malagasy ary tsy afaka mifandray an-kitsi-po afa-tsy amin’ny alalan’ny kolontsaina isika. Ho santatry ny fankalazana ary dia ny 30 martsa izao no hampahafantarina amin’ny fomba ofisialy ao Toamasina ny ligy rejionalin’izy ireo. Handray anjara amin’ny fanokafana ny fetin’ny fahaleovantena ny 4 aprily etsy amin’ny araben’ny fahaleovantena koa ny GAKAMA. Andrasan’ny maro koa anefa ady Morengy goavana ho tontosaina ao amin’ny kianjan’ny kanto Mahamasina ny 5 aprily izao. Ho hita ao avokoa, hoy izy, ny karazana Morengy rehetra ary hisy fotoana izany hifaninana amin’ireo haiady hafa ihany koa toy ny Judo, ny ringa, ny Kung fu, sy ny hafa marobe.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.