Sport

Faha-15 taonan’ny Tambohobe Ho marihana amin’ny fivavahana sy rugby ary vakisôva


  • Sabotsy 21 Jolay 2018

Araka ny nambaran’ireo tompon’andraikitra ao aminy notarihan’ny filohany, Rabenjamina Willy, teny Motel Anosibe omaly zoma 20 jolay 2018, dia ho marihana amin’ity taona 2018 ity ny faha-15 taonan’ny Tambohobe,

fikambanana sosialy iray tsy manao politika izay nijoro ara-panjakana tamin’ny taona 2002 ary manana tanjona hiady amin’ny herisetra sy ny fanatsarana ny tontolo iainanan’ny tsirairay. Ny lalao rugby ho tontosaina etsy amin’ny kianjan’i Malacam amin’ny alahady 29 jolay 2018 no hanombohana ny fanamarihana ka lalao 5 be izao no harahina amin’izany ka misongadina ao ny 1/2-famaranana elite I : Uscar # Tam Anosibe ; Tfma # Matadore A ary ny ady omby : Ftn # XV Wolks   ; Espoir Anjanahary # Scm Mandialaza, hialohavan’ny lalao voalohany hisehoan’ny Cospn sy Sc Antohomadinika amin’ny 7:30.Ho tohizana amin’ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana hatao ao amin’ny Chapelle Militaire Betongolo ny fanamarihana amin’ny zoma 17 aogositra ary ny hetsika famaranana rugby miaraka amin’ny fampisehoana vakisôva hiahana amin-dry Jomaka Ampama, Kintan’ny alina Antohomadinika, Black Connection, Rakotofika, Tsiadana ary Behoririka sy Analamahitsy no hamaranana an’ity fanamarihana ity ny alahady 2 septambra 2018 etsy amin’ny kianjan’i Mahamasina. Tarigetra voizin’ny Tambohobe ny hoe : “Aoka’zay ny herisetra, Malagasy iray ihany”.

 

Ntsoavina Evariste

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT