Sport

Faha-15 taonan’ny ABQ Rugby Lamesa eny Soavimbahoaka no hanokafana azy


  • Talata 19 Martsa 2019

Lamesa lehibe ho tontosaina eny amin’ny Chapelle eny Soavimbahoaka no hanokafana ofisialy ny fankalazana ny faha-15 taonan’ny fikambanan’ny mpanao rugby ABQ “Association du Bas Quartier” tarihan-dRazafiarison François

 

Xavier “Fafah” mpanorina azy amin’ny sabotsy 23 martsa 2019 ho avy izao ka nanasana an’ireo fileovana rehetra mpikambana ao aminy izay marihana fa mahatratra manodidina ny 120 any ho any ankehitriny. Ankoatra izay fangataham-pitahiana hoan’ny fankalazana ny faha-15 taona izay dia hoentin’ny Abq am-bavaka  ihany koa amin’io fotoana io ny  tontolon’ny taranja rugby amin’ny ankapobeny izay mbola tsy tena milamina tsara ankehitriny ary hisy ihany koa anatin’izany fangataham-pitahiana ho fialan-tsasatr’ireo mpikambana namoy ny ainy tao anatin’izay 15 taona izay. Tsiahivina fa amin’ny volana aprily 2019 no hanatontosana ny lalao 1/2-dalana sy famaranana Abq tafiditra ao anatin’ny fankalazana sy fitadiavam-bola ho an’ny fikambanana izay manana vina hitondra ny ekipa voafantina Abq sy ny Vétéran ao aminy ary ny Ftmm Morarano any Mahajanga amin’ity taona 2019 ity.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT