Sport

Faha-10 taonan’ny mpitsara kitra ao Ambohidratrimo Nomarihana tamin’ny fomba nanetriketrika


  • Alarobia 06 Novambra 2019

Nankalazaina tamin’ny fomba nanetriketrika teny amin’ny tranompokonolona DADABENA teny Ambohidratrimo tamin’ny

01novambra 2019 lasa teo ny faha 10 taona nisian’ny mpitsara baolina kitra teny Ambohidratrimo sy ireo mpikambana rehetra manerana ny kaominina, ato amin’ny distrika.

Maro ireo mpitsara lalao eny amin’ny fokontany no tonga nankalaza izany teny an-toerana izay natrehan’ireo olo-manan-kaja isakin’ny kaominina, izay samy tonga nandray fitenenana amin’ny maha zava-dehibe ny fitsarana kitra eny amin’ny fokontany.

Miisa valo ireo kaominina misy ireo mpikambana mpitsara baolina kitra, dia 3A Anosiala misy mpikambana 27 mianadahy, AFA Ambohidratrimo 32, APA Ambohitrimanjaka 19, AZ 4 Merimandroso 22, CAFIA IVATO 42, DRA Ambohidratrimo 24, efa misy amin’ireo mpitsara kitra ireo no efa mitsara lalao lehibe any amin’ny faritra hafa any  fa manao ny fiomanana ny hitsara lalao iraisam-pirenena any ivelany. Koa miantso fanohanana amin’ireo olom-boafidy eny an-toerana mba hanatsarana bebe kokoa ny fandrosoan’ny fikambanana ho lasa alavitra araka izay tratra.  Fiaraha-misakafo mazava loatra no namaranana ny lanonana teny Ambohidratrimo.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT