Fabien Boyer

Nandrandraina saingy tsy nampiasaina


  • Zoma 14 Jona 2024

Hatramin’izao dia mbola samy lasa saina ireo mpanara-baovao ara-panatanjahantena,

mpankafy ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra, mpamakafaka ihany koa hoe inona izany no antony mbola namelana ilay vodilaharan’ny Jeunesse sportive saint-pierroise, izay klioban’ny baolina kitra atsy La Reunion, Fabien Boyer, namonjy ny famondronana ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barea tany Johannesburg, Afrika atsimo, ihany ny 8 jona nefa tsy najoro teny an-kianja akory na dia hisolo toerana aza? Tsiahivina fa tsy moramora ny fifandresen-dahatry ny mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasy, Romuald Rakotondrabe, sy ny mpitantana ny klioba ilalaovan’ity vodilaharana malagasy ity mba nahafahany namonjy izay fampivondronana izay. Efa saika tsy nalefan’ny kliobany hihazo an’i Johannesburg intsony i Fabien ary tsy niatrika ny lalao nifandonan’ny Barea tamin’ny kaomorianina ny 7 jona mihitsy moa fa ny ampitson’iny vao tonga tany an-toerana. Tsy nampiakarina kianja mihitsy koa izy ny 11 jona teo nandritry ny fihaonana tamin’ny ekipam-pirenen’i Mali tao anatin’ity fifaninanana ahazoana ny tapakila ho any amin’ny amboara eran-tanin’ny baolina kitra amin’ny taona 2026 ity. Neverin’ny maro ho nandrandraina saingy tsy nampiasaina, araka izany, ity vodilaharana 33 taona ity. Azo ambara ho manam-batana sy alavana nefa ny lehilahy satria raha ny fampahafantarana ny momba azy voaray farany dia mirefy 1,87 metatra izy ary tombanana ho 80 kilao. Tsy vitan’izay fa efa naneho ny fahaizany hatrany ihany koa nandritr’ireo lalao nataony niaraka tamin’ny ekipam-pirenena. Andrasana indray, araka izany, ny mety ho tohiny amin’ny volana martsa 2025.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

Hijery ny tohiny
FTT