Fabiano Flora

Fanamby ny ho any amin'ny Saudi pro league


  • Alatsinainy 22 Jona 2026

Nandray ny fitantanana

ara-tekinikan'ny Al-Okhdood Football Club, divizionina faharoa eo amin'ny taranja baolina kitra ao Arabia saodita, i Fabiano Flora , mpanazatra mpanampin'ny ekipam-pirenena malagasin'ny baolina kitra fahiny na ny Barean'i Madagasikara, raha ny fampitam-baovao voaray. Anisan'ny fanamby ho raisin'ity tekinisianina portogey ity ny hamerenana ity klioba ity ao amin'ny Saudi Pro League na ny divizionina voalohany, raha toa ity klioba tantanany ity ka vao avy nidina tany amin'ny divizionina ambany tamin'ity taom-pilalaovana farany teo ity. Ny Saudi Pro League, izay iarahan'izao tontolo izao mahita ankehitriny fa fifaninanam-pirenena tsy mitsahatry ny mivoatra sy mitombo lanja hatrany, taona vitsy lasa izao. Irariana hatrany ny fivoarana haingana ho an'ny tekinisianina azo lazaina ho efa nitondra anjara biriky manan-danja ho an'ny baolina kitra malagasy toy itony na izany na tsy izany. Irariana toy izany ihany koa aza ny hiverenany indray eto amin'ny firenena amin'ny fotoana maha mety azy mba hitondra traikefa sy fisandratana avo ho an'izay baolina kitra malagasy izay indray.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT