Europa League

Nobatain’ny Atalanta, montsana ny Bayer Leverkusen


  • Alakamisy 23 Mey 2024

Tsy arakaraka ny tombatomban’ny besinimaro, fa nanoratra tantara

goavana ho azy ny Klioba Italianina Atalanta Bergame omaly. Nobatain’izy ireo ambongadiny ny amboara teo amin’ny famaranana ny Europa League 2023-2024, natao tany amin’ny Aviva Stadium any Bublin Ireland. Montsany tamin’ny isa mavesatra 3-0 ny Bayer Leverkusen, ka ilay mpilalao Nigérian Ademola Lookman avokoa no namono ny baolina. Nofy ratsy ho an’ny Bayer Leverkusen sy ny mpanazatra azy Xabi Alonso, izay nandravarava sy nametraka tantara noho izy ireo tsy resy tao anatin’ny lalao 51 nataony, saingy nampandohalihan’ny Atalanta teto. Anaram-boninahitra lehibe faharoa ho an’ny Atalanta io ary 61 taona no nikatsahany azy satria ny taona 1963 no nibatan’izy ireo ny amboara lehibe dia ny amboaran’i Italie.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT