Euro 2024-Vondrona C

Voatazon’ny Danois ady sahala ny anglisy


  • Zoma 21 Jona 2024

Voatazon’i Danemark 1-1 i Angleterre alina tao anatin’ny lalao faharoan’ny C.

Tahaka ny tamin’ny lalao nifandonany tamin’i Serbia 5 andro lasa izay namonoan’i Jude Bellingham baolina teo amin’ny faha-13 minitra, dia i Harry Kane indray no nanakobana ny harato voalohany teo amin’ny faha-18 alina, rehefa nisy baolina avy any amin’i Kyle Walker, nifampitadiavana tao anaty faritra tsy azo ivalozana. Nanaitra ny Danois izay niezaka nifehy ny lalao io ka nisy ny baolina natolotr’i Victor Kristiansen avy any amin’ny 30 metatra, narahin’ny dakan’i Morten Hjulmand avy any ivelan’ny faritra tsy azo ivalozana, ka nidona tamin’ny tsato-by ary, niditra tao amin’ny haraton’i Jordan Pickford, teo amin’ny minitra faha-34. Niezaka nanindry ny Danois, saingy tsy nety nahakobana harato na ny andaniny na ny ankilany. Mitarika vonjimaika ny Anglisy manana isa 4, ary faharoa ny Danois isa 2, fahatelo i Slovenie isa 2 ihany koa, ary faha-4 i Serbie isa 1. Ireto farany izay nisaraka 1-1 alina. Ho an’ny lalaon’i Espagne sy Italie tao amin’ny Vondrona B, kosa dia ny fizaram-potoana voalohany no vita teo amin’ny fotoana nanoratana, ka tsy mbola nisy nitoko teo, na dia nanindry tamin’ny baolina saika maty aza ny Espaniola.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT