Euro 2024

Tafita nanoloana ny Belza ny Frantsay


  • Talata 02 Jolay 2024

Lalao ampahavalon-dàlana fahadimy ho an’ny Euro 2024 ny fifandonan’i France Belgique omaly.

Azo lazaina ho niady ny baolina, ary nifamaliana ny fanafihana na somary nanindry kokoa aza ny Frantsay. Ny ekipan’i Kylian Mbappé no nivoaka nandresy tany amin’ny minitra faha-85 rehefa namono tena i Verthongen vodilaharana belza, ka io no nisarahana. Izay nandresy tamin’i Portugal sy Slovenie lalao faharoa alina no hifandona amin’ny Frantsay amin’ny ampahefa-dàlana. Izay tafavoaka eo kosa no mifandona amin’izay mandresy amin’i Espagne sy Allemagne, izay voatery tsy maintsy hifandona amin’ny ampahefa-dàlana. Ny tombatombana hatreto, dia izay tafavoaka amin’izy ireo no heverina fa mety hibata ny amboara. Ho an’ny anio, dia baolina be ihany koa ny an’i Roumanie sy Pays-Bas ka tombanana hanana herijika kokoa ny Hollandais eto. Tahaka izany ihany koa ny lalaon’io Autiche sy Turquie izay tombanana fa tena hangotraka. Izay roa tafavoaka no hifandona amin’ny ampahefa-dàlana, ary izay mandresy aorian’izay dia hifandona amin’izay tafavoaka amin’i Angleterre sy Suisse izay ampahefa-dàlana tena hangotraka ihany koa.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT