Euro 2024 sy ny TVM

Mangasihasy ny Gasy, amin’ny alakamisy indray mihaona!


  • Alatsinainy 17 Jona 2024

Nangasihasy mihitsy ireo mpankafy baolina kitra teto Madagasikara ny faran’ny herinandro

teo nijery ny fandaharam-potoana amin’ity Euro 2024 na tompondakan’i Eoropa eo amin’ny taranja baolina kitra atao any Alemanina ity. Lalao tokana tao anatin’ireo lalao miisa 6 tamin’iny faran’ny herinandro iny no mba voalahatra tao anaty fandaharam-potoana fa handeha tamin’ny fahitalavitra nasionaly dia ny fihaonana teo amin’ny ekipam-pirenen’i Serbia sy Angletera. Amin’io koa mbola ilay tamin’ny 10 ora alina mihitsy. Amin’ny alakamisy izao indray anefa taorian’iny ny Euro 2024 sy ny TVM na Televizionina malagasy vao mihaona! Azo lazaina ho tena baolina miady satria fihaonana eo amin’ny La Roja, ekipam-pirenen’i Espainina, sy ny Squadra Azzura italianina io saingy mbola amin’ny 10 ora alina ihany koa. Heverina fa tsara kosa anefa etsy ankilan’izay ny manamarika fa lalao miisa 12 eo avokoa no saika azon’ireo fahitalavim-pirenena na vahiny afaka hita eto Madagasikara na amin’ny alalan’ny satelita aza, raha ny fandaminana napetraky ny UEFA na federasionina eoropeanina, araka ny fifanarahana natao tamin’ireo fahitalavitra ireo avy. Isan’ny voakasik’izay fifanarahana izay ny TVM, ny Bein sports 1 sy 2, ny Antenne Réunion, ny TF1, ny M6. Ireo fahitalavitra iraisampirenena miompana amin’ny fanatanjahantena toy ny New world sport sy ny Supersport football ary Supersport Premier league ihany kosa no afaka misitraka manontolo ny fampitana ny lalao rehetra. Ny mety ho fiovana eny an-tenantenan-dalana eny izany no andrandraina fatratra.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT