Euro 2024

Resin’i Espagne ny Frantsay, voahaja ny lojika !


  • Alarobia 10 Jolay 2024

Niondrika tamin’ny isa 1-2 nanoloana ny Espaniola ny Frantsay alina teo amin’ny lalao

manasa-dàlana voalohan’ny Euro 2024, ka laharana fahatelo sisa andrandrainy. Niady ny baolina satria voahaja ny lojika notarafina tamin’ireo vokatra azon’ny roa tao anatin’ity Euro ity. Ny Frantsay anefa no nanokatra ny isa teo amin’ny minitra faha-9 rehefa nahavita tolotra tsara notsenain’i Kolo Muani tamin’ny lohany i Mbappé. Tsy niandry ela izany, fa voasahalan’I Lamine Yamal (20’) tamin’ny daka teo amin’ny 25m somary ambony tsy nisy azon’i Mike Maignan noraisina, fa dia nidona tamin’ny tsato-by, ary niditra tao anaty harato. Dimy minitra taorian’izay anefa, dia matin’i Dani Olmo tamin’ny alalan’ny fitaka sy daka mandrivorivo indray, ka na voakitik’I Jules Koundé aza tsy nahasakana ny baolina tsy hiditra (25’). Isa 2-1 no nisarahana na dia nifamaliana aza ny fanafihana, ary niezaka nanenjika ny Frantsay, fa tsy nahakobana toy ny teo amin’ny faha-59 izay avotry ny mpiandry harato, toy izany koa teo amin’ny 75’, fa maika loatra I Theo Hernandez, ka niakatra ambony be ny baolina. Baolina faharoa ho an’i Yamal tao anatin’ny Euro 2024 io, ary izy no tanora indrindra namono baolina tao anatin’ny Euro hatreto satria vao 16 taona sy 362 andro izy. Izy no voahosotra ho mpilalao mendrika omaly. Nisongadina sy nanahirana tanteraka ny Frantsay ihany koa i Nico Williams, izay vao iray minitra nanombohan’ny fizaram-potoana faharoa dia nahita fanafihana tsara dia tsara nanary ny vodilaharana, ka voatery nivoaka ny faritra natokana ho azy nanakana izany I Mike Mignan mpiandry harato. Nifamaliana ny fanafihana, ary samy nanana baolina natahorana ho faty. Tsy nionona fotsiny tamin’ny efa tombon’izany ny Espaniola, fa niezaka nanao fanafihana totoafo, ka isan’ny tena nanahirana azy ireo I Nico Williams. Tsy nipetra-potsiny ihany koa anefa ny Frantsay, fa niezaka nitady hirika, ka anisan’izany ny fanafihana nentin’I Dembelé izay natolotra tao anaty “surface” teo amin’ny faha-59 minitra fa avotry ny mpiandry harato. Niezaka nampiditra an-dry Barcola sy Giroud fa tsy nanova zavatra satria nirafitra ihany koa ny vodilaharana Espaniola tamin’ny fiarovan-tena. Izay tafita amin’i Angleterre sy Pays-Bas no hanao famaranana amin’i Espagne amin’ny 14 jolay. Raha azony dia amboaran’ny euro faninefany ho azy taorian’ny 1964, 2008, 2012,…
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT