Euro 2024

Nihintsana i Italie, nivoaka sempotra ny Anglisy, nandravarava ny Espaniola,…


  • Alatsinainy 01 Jolay 2024

Niditra tamin’ny lalao ampahavalon-dàlana ny Euro 2024 nanomboka ny sabotsy lasa teo.

Lalao 4 izay no vita, ka isan’ny nisongadina ny nanintsanan’i Suisse an’i Italie tamin’ny isa 2-0 (R.Freuler 37’ ; R.Vargas 46’). Io no isa nisarahana, izay nametraka hatrany an’i Suisse ho isan’ireo ekipa mafy ao Eoropa amin’ny baolina kitra. Izy ireo ihany koa raha tsiahivina no nandraraka an’i France teo amin’ny ampahavalon-dàlana tahaka izao tamin’ny Euro farany ny taona 2020, ary resin’i Espagne tamin’ny « tir au but » teo amin’ny ampahefa-dàlana tamin’izany. Tao anatin’ny lalaom-bondrona dia efa naneho fa mafy satria nandresy 3-1 an’i Hongrie, nandresy 1-0 an’i Ecosse, ary nitazona ady sahala an’i Allemagne izay efa minitra farany aza vao nahasala ry Rainiboto. Tsy azo hamaivanina izany i Suisse. Nandresy mazava 2-0 an’i Danemark kosa ny Alema, izay penalty ny voalohany (Havertz 53’) ary Musuala no namono ny baolina faharoa (68’). Somary nisy fahatapahana minitra maro ny lalao noho ny orana sy oram-baratra. Azo lazaina ho baolina niady satria isan’ireo ekipam-pirenena mafy ihany koa i Danemark. Nivoaka sempotra kosa ny Anglisy omaly nanoloana an’i Slovaquie izay nitarika 1-0 nanomboka teo amin’ny faha-25 minitra namonoan’i Schranz ny baolina hatrany amin’ny minitra fanampiny. Tao anatin’ny fe-potoana fanampiny 6minitra no nahafaty baolina nahasala ny isa i Jude Bellingham rehefa nahavita daka tsimbadika rehefa nahazo « corner » teo amin’ny 90’+4 ny Anglisy. Niafara tamin’ny fanalavam-potoana 15 minitra in-droa niditra, ka ny Anglisy no namono ny baolina tamin’ny alalan’i Harry Kane vao nanomboka iray minitra ny fanalavam-potoana, ka 2-1 no nisarahana, tafavoaka ny Anglisy. Ho an’ny lalao farany omaly kosa, dia nivoaka nandresy mazava i Espagne rehefa nanamontsana 4-1 an’i Georgie. Ireto farany anefa no nanokatra ny isa voalohany vao teo amin’ny faha-18 minitra, rehefa namono tena ny vodilaharana Espaniola. 20 minitra taoriana vao sahala tamin’ny alalan’i Rodri, ary nanjakan’ireo boaikely Espaniola ny lalao ho an’ny fizaram-potoana faharoa satria nisesy ny baolina matin’i Ruiz (51’), Nico Williams (75’), Olmo (83’). Tsy nahafaty baolina fa nahavita tolotra iray i Lamine Yamal, raha toa ka sady nahafaty no nahavitra tolotra i Nico Williams. I Espagne hatreto no firenena tsy mbola tojo faharesena mihitsy, fa nandresy hatrany tamin’ireo lalao 4 nataony. Lalao isan’ny goavana sy andrasan’ny maro kosa anio ny an’i France sy Belgique amin’ny 7ora hariva, raha toa ka tombanana tsy ho sarotra amin’i Portugal ny mandresy an’i Slovénie anio amin’ny 10 ora alina.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

Hijery ny tohiny
FTT