Euro 2024

Misongadina ireo ekipa lehibe


  • Alatsinainy 17 Jona 2024

Voahaja ny lojika hatreto eo amin’ny «Euro 2024 », raha tarafina amin’ireo vokata.

Misongadina, ary mandravarava ireo ekipa lehibe sy heverina ho « Favoris » ao anatin’ny fifaninanana. Ho an’ny Vondrona A, nomontsanin’i Allemagne 5-1 i Ecosse tamin’ny andro voalohany, nanjakany tanteraka ny lalao. Ity ekipa ity izay isan’ny voasokajy ho tsara toerana hibata ny amboara, mafy amin’ny lafiny rehetra na ny fanafihana na ny fiarovan-tena satria ao anatin’ny heriny tanteraka ry Musuala, Havertz, Wirtz any amin’ny lohany izay tena mbola zandrikely fa mandravara, ry Kimmich sy ry Gündugan ary Kroos ao afovoany, ary mafy ihany koa ireo vodilaharana. Saika ekipa sangany sy milalao amin’ireo klioba sangany sy matanjaka eto ambonin’ny tany avokoa, toa ny Real Madrid, Barcelone, Bayern Munich, Dortmund, Bayern Leverkusen,… Ho an’ny Vondrona A hatrany, dia nandresy mazava 3-1 i Suisse nanoloana an’i Hongrie, izay voahaja ihany koa ny lojika teto satria mafy i Suisse, izay izy ireo no nandrodana an’i France tany amin’ny ampahefa-dàlana tamin’ny 2020. Ho an’ny Vondrona B izay voasokajy ho « groupe de la mort » kosa, dia novizanin’i Espagne 3-0 i Croitie raha noheverin’ny maro fa isan’ny tena hiady. Nanjakan’ny Espaniola ny lalao, ary ity ekipa ity no isan’ny manana mpilalao tanora toa an-dry Lamine Yamal, Ruiz, Joselu,… Mahavita manafika ihany koa ireo vodilaharana toa an-dry Nacho sy Carvajal,... Ho an’ny Vondrona B ihany, dia nivoaka nandresy 2-1 an’i Albanie i Italie tompondaka farany, na dia iretsy voalohany aza no namono baolina voalohany haingana dia haingana teo amin’ny minitra voalohany. Ho an’ny Vondrona D, dia nivoaka nandresy 2-1 nanoloana an’i Pologne ekipan’i Lezwandowski ihany koa i Pays-Bas. Ho an’ny Vondrona C kosa dia voatazon’i Slovenie 1-1 i Danemark, raha toa ka nandresy an’i Serbie 1-0 i Angleterre baolina matin’i Belingham vao 12 minitra nilalaovana. Niady ny lalao saingy nanatombo ny Anglisy izay isan’ny ekipa goavana ao anatin’ny fifaninana. Hiaka-tsehatra anio kosa i Roumanie≠Ukraine Belgique≠Slovaquie, ary i Autrice≠France ho an’ny Vondrona D.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT