Euro 2024, lalao manasa-dàlana

Hitsapa vintana amin’i Espagne i France, hifampitady i Agleterre sy Pays-Bas


  • Alatsinainy 08 Jolay 2024

Taorian’ny fahatafitan’ny Espaniola amin’ny dingana manasa-dàlana amin’ny Euro 2024,

dia efa fantatra avokoa ankehitriny ireo ekipa 3 hafa tafita ao anatin’ilay antsoina hoe : « derniers Carré ». Hitsapa vintana amin’i Espagne ny frantsay rahampitso amin’ny 10 ora alina. Azo lazaina ho ny vintana hatrany mantsy aloha hatreto no nanavotra azy satria baolina iray no tena matiny tamin’ny fomba ara-dalàna hatreto amin’izao fahatafakarany hatrany amin’ny manasa-dàlana izao, dia ny penalty nodakan’i Mbappé tany amin’ny lalaom-bondrona nifandonany tamin’i Pologne. Samy namono tena na i Autriche tamin’ny lalaom-bondrona na Belza tamin’ny ampahavalon-dàlana, ary « tir au but» 5-3 no nandreseny an’i Portugal farany teo rehefa nidona tamin’ny tsato-by ny dakan’i Joao Félix, ilay mpilalaon’ny FC Barcelone. Tombanana hanana tombondahiny kokoa ny Espaniola, izay nandrodana an’i Allemagne mpampiantrano. Manasa-dàlana faharoa ny alarobia izao amin’ny 10 ora alina kosa i Angleterre sy Pays-Bas. Nivoaka sempotra ny anglisy nanoloana an’i Suisse izay nisaraka 1-1 tao anatin’ny fotoana ara-dalàna sy ny fanalavam-potoana. I Suisse no nanokatra ny isa (Embolo 75’), ary voasahala dimy miniatra taoriana (Saka 80'), ka « tir au but » izay nivoahan’ny anglisy mpandresy 5-4 no niafarany. Ny ampahefa-dàlana farany kosa, dia nivoaka nandresy 2-1 nanoloana an’i Turquie i Pays-Bas. Ny tiorka anefa no nanokatra ny isa teo amin’ny faha-36 minitra, ary tany amin’ny faha-70 sy faha-76 ny baolina nitondra ny Néerlandais tany amin’ny fandresena. Heverina fa hangotra ny fifandonan’izy ireo amin’ny Anglisy, ka izay tafavoaka eo no hifandona amin’ny famaranana amin’izay tafavoaka amin’i France sy Espagne.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT