Sport

eTech 10 taona Hikarakara « Jeux Corporatifs » eLalao


  • Alarobia 10 Jolay 2019

Ao anatin’ny fankalazana ny faha-10 taonany teo amin’ny sehatry ny fikarakarana ny antsoina hoe « Transformation Digitale », taty amin’ny Faritry ny Ranomasimbe Indianina sy teto Madagasikara

manokana, dia hikarakara hetsika « Jeux Corporatifs » antsoina hoe : eLalao ho tontosaina etsy amin’ny kianjan’i Mahamasina amin’ny 20 sy 21 jolay 2019 izao ny orinasa eTehc tarihan’ny Taleny Razafindramalo Tahina. Nambaran’ity talen’ny eTech ity tamin’ny fitafana tamin’ny mpanao gazety teny Anosivavaka fa : « tsy vitan’ny hoe fiatrehana fifaninanana ara-panatanjahantena fotsiny ny “Jeux Corporatifs” fa natao hanehoan’ireo orinasa mpandray anjara ny fifankatiavana sy ny fifanajana ary ny “excellence” ananan’izy  ireo tsirairay avy  ao anatin’ny fifampikasohan’ny samy mpiasa  mivantana ».   Mpiasa hifaninana miisa 1000 avy amina orinasa  50 no handrasana handray anjara amin’ny  taranja 11 hisy ao amin’ity  hetsika eLalao ity dia ny Basket-ball, Foot-ball, Volley-ball, Lawn tennis, Tennis de table, Relais, Pétanque, Rock&Roll, Zumba, Échecs ary ny Belote . Hisy ny « Village de Jeux » hametrahan’ireo orinasa mpandray anjara ny fitaovan’izy ireo sady hampahalalany ny momba azy koa.  Ny sasantsasany amin’ireo mpiara-miombon’antoka kosa dia  hanana tranoheva hampirantian-dry zareo ny zavatra ataony. Hisy ny toeram-pisakafoana sy fialana hetaheta hosahanin’ireo matihanina  amin’izany .

Fandaharam-potoana  :

Sabotsy 20 jolay 2019 :

08h00 : Fanokafana ofisiaoly (filaharana sy kabary)

08h30 : Fanentanna  Zumba

08h45 : Fanombahan’ireo fifaninanana

17h00 : « Soirée d’ambiances »

Alahady 21 jolay 2019 :

8h00 : Tohin’ny fifaninanana  (dingana famaranana)

15h00 : Famaranana sy fanolorana amboara

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT