Sport

Eric Rabesandratana sy ny Barea Nisafidy ny hifantoka tanteraka amin’ny ho avy


  • Alakamisy 28 Oktobra 2021

Ao anatin’ny fanomanana ny hoavin’ny Barea isika, hoy ny naverimberin’ny mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra, Eric Rabesandratana,

 omaly nandritry ny fampahafantarana ireo mpilalao nantsoiny indray hiatrika ny andro faha 5 sy faha 6 farany eo amin’ny fiadiana ny tapakila ahafahana mandray anjara amin’ny amboara eran-tany atao any Qatar amin’ny taona 2022. Antony iantsoany mpilalao vaovao isaky ny misy fifampivondronana io, raha ny fanazavany, ary fotoana hanararaotana hanomezana sehatra ireo mpilalao tanora izao, hoy izy. Ao anatin’izay hoavy izay ireo fihaonana amin’I Benin sy Tanzania ho avy izao ireo. Isany koa ny tompondakan’I Afrika amin’ny taona 2023 sy ny manaraka rehetra, hoy hatrany ny tenany. Nisafidy ny hifantoka tanteraka amin’ny hoavy, araka izany, ity mpanazatra ity sy ny Barea, raha alalinina ny votoatin’ny tafa nomeny omaly. Tsikaritra ho miha mametraka ny fahefany amin’ny maha mpifantina na “sélectionneur” sady mpanazatra na “coach” azy amin’izay ihany koa I Eric Rabe ary niezaka nampiseho fa tsy miverina amin’ny teny nomeny sy ny fanapahan-keviny toy izay namafisiny farany dia ny hoe tsy hiantso ireo efa nanda tsy ho avy intsony. Isan’ireo mpilalao tsy hita tao anaty lisitra, ohatra, ry Abel Anicet sy Carolus Andrea izay nilaza ho naratra nefa andro vitsy monja taorian’ny nilazan’izy ireo izany dia hita ho nilalao tany amin’ireo kliobany avy ihany. Tsy voaantso koa i Jerome Mombris izay nanambara tamina fampahalalam-baovao iray fa tsy hiverina intsony raha tsy miova ireo mpitantana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT