Sport

Eric Rabesandratana « Nitanila ny mpitsara, nivoatra isika na resy aza »


  • Zoma 08 Oktobra 2021

Naneho hevitra avy hatrany mikasika ny lalaon’ny Barean’i Madagasikara sy RD Congo ny mpanazatra Eric Rabesandratana taorian’ny lalao omaly.

 “Tsy fombako ny mitaraina sy mitsikera fa kosa androany, dia mpilalao 11 no nifanohitra tamin’ny mpilalao 15", hoy izy. Nohitsiany fa tena tsy mety ny nataon' ny mpitsara 4. Hita be ilay fakana ankilany, hoy izy. Niharihary moa ny fiangarana tamin’ilay fanomezana “penalty” an’I RD Congo ankoatra ny fitsarana tamin’ny ankampobeny. Tsy hijery ny faharesen’ny Barea aho fa kosa ny zavatra hitako dia nandroso ny fomba filalaon' ny ekipa, raha oharina tamin’ireo lalao 2 teo aloha, hoy izy. Sarotra ny lalana nahatongavanay taty, tsy nisy akory fanazaran-tena raha tsy omaly hariva, nisy tsy tomombana ara-batana ny mpilalao, nefa hitako fa nihatsara ny lalao nataon ' izy ireo, hoy i Eric Rabesandratana. Mino aho fa hisy vokany tsara ny lalao hatrehana amin’ny alahady any an-tanindrazana, ary afaka mahita vokatra raha tomombana araka ny tokony ho izy ny fepetra rehetra, ary hanova ny lesoka hita, hoy io mpanazatra io. Nanomboka hita ho nanana fahasahiana i Eric Rabesandratana omaly, nampijoro mpilalao vao nantsoina, saingy mbola misy kosa ny adihevitra momba ireo mpilalao atao tompon-toerana hatrany na efa tokony nanatsoahana lesona aza ny vokatra nentiny, toy ny lohalaharana iray izay mba efa nesorina teo amin’ny minitra faha-60 omaly, fa eo ihany koa ny mpiandry harato, izay nihen-danja taorian’ny CAN 2019. Efa nazava iny ny tenin’ny mpanazatra ny alarobia teo, fa mila manova satria efa miha antitra ny mpilalao. Miezaka mahita mpilalao vaovao isaky ny lalao. “Ilaina ny faharetana. Raisina ho isan’ny fanomanana ihany ity fifanintsanana ny fiadiana ny amboara eran-tany ity, fa ny tena tanjona dia ny CAN 2023 “, hoy izy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT