Sport

Eric Rabesandratana “Nahafa-po ny lalao, tsy hiantso ireo nandà aho”


  • Alatsinainy 11 Oktobra 2021

« Nanome fahafaham-po ny ekipa. Faly tamin’ny lalao nasehon’ny ekipa sy ny foto-pisainana nasehon’ny mpilalao aho.

Tsy misy kisendrasendra ny baolina kitra, rehefa miasa dia mahazo vokatra”, hoy ny mpanazatra Eric Rabesandratana omaly taorian’ny lalaon’ny Barea. Nambarany anefa fa somary narefo isika, indrindra tamin’ny lafiny fiarovan-tena. Nisy ny fahatahorana kely. Tsy tena nanana fotoana tena niomanana, ary Boyer aza dia ny sabotsy vao tonga, ary isan’ny tena mbola hikotranana ny fametrapetrahana ny rindran-damina mipetrapetraka na “automatismes”, fa na izany aza dia tena naneho fiarovan-tena tsy mampino ny rehetra”, hoy ny mpanazatra ny Barea. Nambarany fa iny fandresena iny dia fandresen’ny vahoaka rehetra, fandresen’ny ekipa rehetra, fa tsy fandresen’ireo 11 niakatra an-kianja ihany. Tanjona ny hahazo isa 6 amin’ireo lalao roa farany, ary tsy nampoizina, hoy izy ny fandresen’I Tanzanie omaly, izay manome aina ny fifaninanana ao anatin’ny Vondrona J. Miankina amin’ireo lalao hafa ny vintana ho antsika, saingy mametraka ny moraly ho ambony. Mikasika an’I Mathyas manokana izay sambany tompon-toerana dia naneho ity mpanazatra ity, fa « naka risika hamoaka ny baolina any amin'ny 25m. Nomena toromarika, fa tsy nihaino. Mpiandry harato tanora izy. Niresaka tamin’ireo mpilalao afovoan-kianja aho taorian’izay, ary naneho fa te handefa baolina any aloha foana izy,… Na izany aza tena naneho lalao tsara izy. Mila lalao ao anatin’ny klioba. Hiresaka amin’ny mpanazatra an’i PSG aho mba ahafahany milalao tsara kokoa ». Ho an’ireo mpilalao nandà ny fiantsoana kosa, dia tsy misy antony hiantsoana azy, ary tsy hiantso azy aho », hoy i Eric Rabesandratana. Isan’ny niteraka adihevitra moa ny mpilalao iray izay nilaza fa naratra, kanefa nilalao tao amin’ny kliobany ny 06 oktobra iray andro nialohan’ny lalaon’ny Barea tany Kinshasa.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT