Eric Rabesandratana

Miverina ho adihevitra eo amin’ny tontolon’ny kitra


  • Talata 24 Septambra 2024

Hatramin’ny fotoana tsy nahazoantsika afa-tsy isa tokana monja taorian’ireo lalao miisa 2

nifanandrinana tamin’i Tonizia sy Kaomoro nanomboka ny 9 septambra 2024 teo nandritry ny fifanintsanana ho amin’ny tompondakan’i Afrika na CAN 2025 dia miverina ho adihevitra eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra malagasy indray ankehitriny ny mikasika ny mpanazatra ny ekipam-pirenena na Barea teo aloha, Eric Rabesandratana. Tsy vitsy ireo mahita fa tokony ho afaka nanavao lafiny maro tamin’ny fitantanana ny ekipam-pirenena ity kapitenin’ny klioba sangany frantsay teo aloha na ny PSG ity raha navela nanohy ny fitantanana izany ekipam-pirenena izany tamin’ny maha mpanazatra azy. Nipetraka ny asa maha mpanazatra na «entraineur» fa nipetraka koa ny asa maha mpifantina na «sélectionneur» fony izy nandray an-tanana ny Barean’i Madagasikara. Hita ho efa nisy zavatra nipetraka, hoy ny santionan’ireo fanehoan-kevitra tamin’ireny fotoana ireny. Nisy kalitao ny fifantenana ary nisy kalitao koa ny kotrana nomena, hoy ny kapiteny Ibrahim Amada. Feno 52 taona ny 18 septambra teo moa i Eric Rabesandratana, izay mizaka zom-pirenena miisa 2 dia ny zom-pirenena frantsay sy malagasy. Mirefy 1,86m izy ary nitana ny toerana maha vodilaharana fony mbola mpilalao. Saika nitety ireo klioba divizionina voalohany tamin’ny fotoan’andro toy ny AS Nancy ny taona 1990 hatramin’ny 1997. Paris Saint-Germain na PSG (1997-2001), Frantsa ihany io. AEK Athènes, Grèce kosa ny 2001-2002. Niverina tao Frantsa, tao amin’ny LB Châteauroux, ny 2002-2004. Efa tao amin’ny RAEC Mons (2004-2007) ary voaantso nanatevina ny ekipam-pirenena malagasy ny taona 2007. Efa tompondakan’i Frantsa niaraka tamin’ny PSG ny taona 1998 no sady nahazo ny amboaran’ny ligy ary ny amboaran’ireo tompondaka na «Trophée des Champions», samy tamin’io taona io ihany. Nanohy ny asany tamin’ny maha mpamakafaka kitra moa izy avy eo no sady mpanazatra sy mpampiofana ireo PSG zandriny ao amin’ny sekolin’ny baolina kitran’ny PSG ao Miami ihany koa, efa talohan’ny naha voatendry azy ho mpanazatra ny Barean’i Madagasikara ny taona 2021. Miverina ho adihevitra eo amin’ny tontolon’ny kitra malagasy izany rehetra izany ankehitriny ka andrasana ny mety ho tohiny.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT