Eric Rabesandratana

Mitohy ny fampitàna ny zandry gasy


  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Angady nanànana sy vy nahitàna

izany El Hadary Raheriniaina izany ny tekinisianina avo lenta malagasy eo amin'ny sehatra iraisampirenena, Eric Rabesandratana. Ity farany no nampiditra an'ity zandrikely ity tao amin'ny ekipam-pirenena malagasin'ny baolina kitra na Barean'i Madagasikara avy hatrany na dia vao 16 taona monja aza i El Hadary tamin'ny taona 2022. Mbola mpilalaon'ny Ajesaia ny zandrikely tamin'ireny fotoana ireny no efa hitan'i Eric Rabe fa afaka mandeha lavitra be, raha baolina kitra no resaka. Tsy ela tokoa taorian'izay dia efa nahazo fifanarahana iraisampirenena voalohany niaraka tamin'ny Saint Michel United tatsy Seychelles ny tovolahy. Na nisy fiatoana kely herintaona aza avy eo rehefa vita ny fifanarahana ny taona 2024 dia io izy noraisin'ny Paris FC atsy Frantsa io nanomboka ny taona 2025. Klioba mifaninana anaty ligue 1 frantsay avy hatrany. Azo lazaina ho boay kely be traikefa iraisampirenena indrindra sahady izy teo amin'ny tantaran'ny baolina kitra malagasy satria dia azo ambara hoe klioba manana ny maha izy azy ao Frantsa hatrany koa ireo mindrana azy ao amin'ny Paris FC ao. Nindramin'ny Valenciennes FC ity avokavoka malagasy ity teo ary namono baolina miisa 3 tao anatin'ny lalao miisa 20 nijoroany ary matetika nahavita tolotra tsy azo ivalozana nitondra an'ity divizionina faharoa frantsay ity tany amin'ny fandresena. Ankehitriny moa dia nampindramina ny AS Nancy-Lorraine indray ny zandry kely. Eric Rabesandratana, izay mpanazatra azy fahiny kosa, dia isan'ireo mpitantara lalao ao amin'ny Radio Nancy, ankoatran'ny andraikitra efa nosahaniny ela ao amin'ny ekipa frantsay goavana indrindra dia ny Paris Saint Germain na PSG izany. Efa mpilalaon'ny Nancy taloha ihany koa i Eric Rabe ankoatran'ny naha mpilalaon'ny PSG tamin'ny fotoan'androny azy, raha tsiahivina hatrany. Na dia tsy mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasy intsony, araka izany, ny lehilahy dia tsy mitsahatra mampita ny zandry gasy.
Nangonin'i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT