Sport

Eric Rabesandratana « Misy mpilalao hita fa reraka »


  • Alatsinainy 14 Jona 2021

Nikarakara ity fihaonana eo amin'ny samy Barea ity izahay mba hahafahana mamantatra ny momba ny mpilalao tsirairay,

 

 hoy ny mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra, Eric Rabesandratana, taorian’ny lalao nitsapany ireo Barea teny amin’ny Kianja Odeam Rakoto Ambohidratrimo, ny sabotsy teo. Anio (TTF: ny sabotsy teo) dia hita izany ka hahafahantsika manomana sahady ny mety hoavy, hoy izy. Amin'ny alarobia ho avy izao dia mbola hisy lalao eo amin'ny samy mpilalao. Hita fa misy ny fivoarana, niasa mafy ny rehetra, kanefa mbola misy koa ireo mila hiasana sy hatsaraIna. Mitohy hatrany ny ezaka na dia misy aza ireo mpilalao hita fa reraka. Ezahana ny hampifandanjana ny kotrana. Ny tena zava-dehibe dia ny hanomezan'ireo mpilalao tsirairay ny rehetra any aminy amin'izay atao rehetra, avy eo izahay afaka misafidy tsara izay tokony ho voatana, hoy hatrany ny tenany.


J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT