Sport

Eric Rabesandratana Manomboka hamatrarana ny rihitra rehetra


  • Zoma 03 Septambra 2021

Lalao voalohany ho an’ny mpanazatra ny Barean’I Madagasikara Eric Rabesandratana iny omaly iny. Lalao azo lazaina ho henjana ny tsindry maro samihafa,

 na nilaza aza izy fa nialoha ny lalao, fa tsy mahatsapa ho misy tsindry teo anatrehan’ny olana samihafa niseho nialohan’ny lalao. Ara-teknika, tena ratsy ny kalitaon’ny lalao tamin’ny fizaram-potoana voalohany. Tsy takona nafenina kosa ny fiovana tamin’ny fizaram-potoana faharoa, saingy tsy nampiova ny vokatra na niezaka nanindry sy nanenjika hanasahala ny isa aza isika. Niaraha-nahita ny olana hatrany am-piandohana noho ny tsy fifankahazoana teo amin’ny Fanjakana sy ny FMF. Taorian’ny nanesorana an’I Nicolas Dupuis rehefa tsy tafiakatra hanao CAN 2022 isika, dia tratry ny fanenjehana maro samihafa ny mpanazatra vaovao. Ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina dia efa nilaza mivantana, fa tsy ny mpanazatra Nicolas Dupuis ihany no simbaina fa ny kitra Malagasy mihitsy. Nomena toerana hitantana ny Ankademia nasionaly ho an’ny fanatanjahantena matihanina avy eo. Ratsy ny fanombohana ho an’ny mpanazatra vaovao Eric Rabesandratana. Tompon’andraikitra voalohany tamin’ny faharesena izy, ary tena ekena izany. Mety misy antony maro tsy miankina aminy anefa ao: fotoana nahafa-niomana, fampivondronana ny mpilalao, ny lafiny ara-bola, ny fifaminganana ara-politika sy ara-teknika mety misy,… Ankoatra ny tany aloha, dia toa efa nandrasana an-kendritohana I Eric Rabesandratana teo anatrehan’ny faharesena omaly. Nihazakazaka ary nirarakompana ny hoe: “esory”, “avereno I Dupuis”,… ary misy andiana kaonty fako manenjika fatratra na manao ilay antsoina hoe: “campagne de diabolisation” mihitsy hoe: io no fositra naharesy ny Barea. Efa fanao eto rahateo no mitady olona hanilihana sy hatao sorona rehefa misy ny tsy fihetezana tahaka izao.

Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT