Sport

Eric Rabesandratana “Mahafapo ny fiarahana hatreto”


  • Alakamisy 10 Jona 2021

Ilaina ny mahafantatra ny momba ireo mpilalao, hoy ny mpanazatra ny ekipam-pirenena Malagasin’ny baolina kitra,

 

 

Eric Rabesandratana, nandritry ny fihaonana nifanatrhiny faharoa tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny Ibis Akorondrano omaly. Nahafinaritra ny tontolo andro omaly (TTF: Ny talata teo), hoy izy. Tena nandray tsara ny toromarika rehetra ny mpilalao. Azon-drizareo fa ilana asa ny vokatra azo ambony kianja ary mila izany koa ny tohiny rehetra manaraka. Mandeha ho azy ny fametrahana fitsipika satria tsy natao haka ny toeran’ny polisy akory izahay fa eto mba hametraka amin’ny toerana maha matihanina kokoa. Ao anatiny ny fiomanana ivelan’ny kianja sy toeram-piomanana na “vestiaire”, ny fitantanana fotoana sy fisakafoana ary ny mifanaraka amin’izay rehetra. Ilaina ny manomboka amin’izay ary tena vonona tamin’izany ireo mpilalao. Tena tsara hatreto ny fiombonana na “esprit du groupe”. Manana hetaheta hiaraka hanatanteraka vokatra tsara izahay. Misy lafin-javatra mbola mila iasana fa ny zava-dehibe aloha dia efa ao ny fiombonana. Miezaka mametraka fiarahana eny ambony kianja izay mety efa nisy teo aloha saingy mila hamafisina kokoa izahay. Ny lafiny takitika indrindra indrindra satria tsapa ho nisy fandringana tao. Ezahana noho izany ny hametraka fandrindrana mendrika indrindra, araka izay tratra. Mahafapo hatreto ny fiarahana, hoy hatrany izy. Ilaina ihany koa ny manome ireo mpilalao fandaminana mikasika ny lafiny fanafihana sy fiarovan-tena. Manitsy avy eo raha ilaina, hoy kosa ny mpanazatra mpanampy, Fabiano Jose Costa Flora, ary isan’ny niasana mafy koa izany tao anatin’izay 2 andro izay.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT