Sport

Eric Rabesandratana Efa manomana ny paikady vaovao


  • Alatsinainy 03 Mey 2021

I Eric Rabesandratana no voatendry ho mpanazatra vonjimaikan’ny Barean’i Madagasikara mandra-pisian’ny toromarika vaovao.

 

 

Hitantana ny ekipam-pirenena ao anatin’ny andro voalohany sy faharoa amin’ny fifanintsanan’ny Mondial 2022. 48 taona izy, mpilalaon’ny Klioba Frantsay PSG ny taona 1997-2001 sady efa kapitenin’io klioba io. Voaantso nanatevin-daharana ny ekipam-pirenena Malagasy tamin'ny andron'ny Scorpions ny taona 2007. Nanangana ny ny US Champions Soccer Academy tany Etazonia ny taona 2014 ary nanazatra ny ekipan'ny FC Miami Ny sabotsy teo tao amin’ny fahitalavitra vahiny CCTV dia naneho fa 70% ny herijika mety haha tompon-toerana amin'izay i Hakim Abdallah sy Mathyas Randriamamy amin'ny fampivondronana izay ataony. Ary anisan'ny ahazo tombony manokana amin'izany i Mathyas, izay ho raisin'ny manokana ny momba azy. Naneho izy fa nahavita nandresy lahatra mpilalao malagasy 03, izay mbola tsy voantso Barea mihitsy. Milalao ao Eoropa avokoa araka ny nambarany hatrany. Ny iray amin'ireo dia voalaza fa "mpiandry tsato-by" amin'ny Ligue 1. Anarana mandeha ny an’i Yannick Pandor, mpiandry haraton’ny RC Lens, izay voalaza fa Malagasy ny rainy, ary lehibe tany Frantsa izy. Mety ho tafaverina ao anaty fampivondronana ihany koa i Hery Bastien, izay mbola vinavina aloha hatreto.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT