Sport

Endri-dalaon’ny Barea Tena tsara ny fidirana voalohany


  • Talata 20 Jona 2023

Nivoaka ady sahala araky ny efa kajy taloha ny Barea nanoloana ny Black Stars. Efa izay rahateo no fandaharana ny mpilalao teny ambony kianja satria dia nanao 4-4-2 ambany.

Na i Carolus izay niverina amin'ny heriny aza dia mahavita miverina miato-tena Tsy ampy vovok’aina kely fotsiny izy sy Metanire fa tsy maninona. Ny solony no tokony ketrehina dieny izao. Fa ny tena nampiaky ny mpijery dia i Tendry izay tena nanadala an’i André Ayew mihitsy. Tena mafy i Tendry ary raha izao no mitohy dia tsy ho ela dia hahita klioba aby Eoropa ity mpanafiky ny Disciples ity i Baggio na dia kely aza dia nahavita ihany saingy toeran'i Rayan io. Tonga teo Mahamasina moa ity mpilalaon'ny AJ Auxerre ity ary inoana fa ho eo izy amin'ny lalao miverina amin'ny Angola ny volaba septambra. Raha hiverenana ny lalao dia mbola voaporofo fa tsy manana toerana ao amin'ny Barea intsony i Hakim Abdallah, Zotsara sy Melvin Adrien ary Amada Ibrahim. Raha Feno Ajesaia izao niaraka tamin'i Carolus voalohany mety ho hafahafa iny lalao iny. Manam-potoana hanamboarana i Roro Rakotondrabe ary raha toy ireny indrindra moa fa ho tonga koa Marco Ilaimaharitra. Ny vodilaharana dia mety hatreto ny fiarahan'i Fabien Boyer sy Berajo sy Dadafara ary Metanire "Machine". Raha ireo no izy fia izay vao tena alefa Barea.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT